Misy lalàna nofoanana ao anatin’ny sata mifehy ny asa hiandraiketan’ireo mpandrefy tany eto Madagasikara na ny “géomètres experts”.
Ao anatin’ilay votoantin’io sata mifehy azy ireo io mihitsy no hisian’izany araka ny lalàna 2011-005 tamin’ny 01 aogositra taona 2011. Amin’ny alalan’ny fihaonambe ihany anefa izany vao azo tanterahina ny fanovana na fanatsarana izany saingy nataon’ireo mpandrefy tany miankina amin’ny fanjakana ho azy ireo manokana. Manome vahana ny fifaninana tsy ara-drariny eo amin’ireo mpandrefy tany miankina amin’ny fanjakana sy ireo tsy miankina izany raha araka ny tafa nifanaovan’ireto farany tamin’ny mpanao gazety omaly, notarihin’ny filohan’ny kongresy Raharimandimby Raibe Pierrot. Hangatahin’izy ireo araka izany ny hamerenan’ny Antenimieram-pirenena handinihina io lalàna nofoanana mikasika ny sata mifehy azy ireo io. Nisy ny kongresy izay notanterahin’ireo mpandrefy tany eto Madagasikara tetsy amin’ny DLC omaly ka fantatra fa hisy ny fitohizan’ny fihaonan’izy ireo eny amin’ny CCI Ivato anio, handinihina lalindalina kokoa mikasika izany. Nomarihin’ny mpandrefy tany tsy miankina iray moa fa anisan’ny dradradradraina foana ny halafosan’ny vola alain’izy ireo amin’ireo mpandrefy tany, antony nanafoanana io lalàna io nefa tsy mitovy mihitsy. Raha fandrefesan-tany faobe mantsy hoy izy dia 5000 Ar ny mandrefy tany 5 a fa raha tsy vita titra na baorina amin’ilay tena tompony kosa izany dia mahatratra 6 hetsy ka hatramin’ny 2 tapitrisa Ar.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.