Namoaka fanambarana manamafy ny fitakiana ny fametrahana Sekreteram-panjakana miadidy ny fandraharahana ny fonja ireo mpikambana avy amin'ny SPAPM na ny “Syndicat du Personnel de l'Administration Penitentiaire Malagasy”, ny zoma 2 febroary lasa teo.
Nolazain'izy ireo fa anisan'ny antony ny fahabetsahan'ny asan'izy ireo izay tena mafy tokoa toy ny fanarenana ireo olona voafonja, mba ho afaka hiverina eny anivon'ny fiarahamonina indray, fifehezana ny fampanajana ny zo maha olona sy ny maro hafa. Nambaran'izy ireo moa fa rariny raha toa ka mahazo izany Sekreteram-panjakana manokana tsy eo ambanin'ny Fitsarana izany intsony izy ireo. Tato anatin'izay 55 taona nijoroan'izy ireo izay mantsy dia tsy nivoatra mihitsy ny fonja ary saika mbola fotodrafitrasa nolovaina tamin'ny fanjanahantany hatrany no mbola tantanan'izy ireo amin'izao fotoana,ary ny fitaovana dia toy izany ihany koa. Ankoatra izay dia efa tokony hiampy ny mpandraharahan'ny fonja satria tsy mifanaraka amin'ny fenitra intsony izany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.