Mpandraharahan’ny fonja

> Nikomy mitaky ny anjara tombontsoany


  • Zoma 09 Aogositra 2013

Nikatso nanomboka omaly ny raharaha ary mbola hikatso handritra ity herinandro ity raha tsy valian’ny fitondram-panjakana ao anatin’ny fotoana fohy ny fitakian’ireo mpiandry fonja mitokona.

Tsy misy araka izany ny famoahana sy ny fampidirana voafonja ary koa ny fikarakarana taratasy eny amin’ny Fitsarana.

Takian’ireto mpiandry fonja ireto ny hampiakarana ny tambin-karama mahakasika ny trano itoerana raha enina alina ariary izany amin’izao fotoana. Toy izany koa ny tambikarama amin’ny fiantrehana ny loza, izay roa alina Ariary monja ankehitriny. Torak’izany ihany koa ny hampidinana ny tahan’ny IRSA 25% satria ambony loatra io hetra io raha mitaha amin’ny laharan-karama raisin’izy ireo. Ambany ny «catégorie» ka mila hampiakarina ary vary mangatsiaka hatramin’izay ny fangatahana Sekreteram-panjakana mba hijery manonkana ny tontolon’ny fonja eto amintsika izay tsy manara-penitra intsony na fitaovana na foto-drafitrasa ka mampananosarotra ny asan’ireo mpiandry fonja nefa ny voafonja miditra mitombo isan’andro. Ireo no anisan’ny zavatra takianay, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja Atsimo Andrefana, Rabialahy Hajanirina, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly tany Toliara.

 

Mahatsiaro ho anjorom-bala

 

 

Mahakasika ny fonjaben’i Toliara manonkana dia maherin’ny 600 ny mifonja ao ankehitriny, raha toa ka 250 no zakan’ity fonja ity. Nohamafisin’ireto mpandraharahan’ny fonja mitokona ireto fa tsy mikitika ny zon’ny voafonja mihitsy izy ireo amin’ity herinandro ity. Raha tsy mahazo fahafahampo izy ireo dia hitohy hatrany ny fitokonana, ka tsy hahazo hamangy sy hanati-bary ho an’ny havany voafonja intsony ireo izay mikasa ny hanao izany.

Matoky ny fahendren’ny minisitry ny fitsarana sy ny fanjakana foibe ireto mpandraharahan’ny fonja ireto amin’ny fitakian’izy ireo, na dia mahatsiaro ho anjorom-bala aza raha mihoatra amin’ireo mpitandro filaminana hafa satria dia diso anjara tamin’ny fampanantenana nataon-dRajoelina tamin’ny 2010 mahakasika ny fampiakarana karama manonkana nomen’ny fanjakana. Raha mbola manakatom-baravarana an’ireto mpandraharahan’ny fonja ireto ny ministeran’ny fitsarana, izay mpiahy azy, sy ny ministeran’ny vola, mahakasika ny fitakian’izy ireo, dia ahiana hivadika zavatra hafa tanteraka ny raharaha raha ny strategian’ireo mpitokona no zohina.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT