Tahaka ireo mpanao politika maro nifidy ny hangina tanteraka eo anatrehan’ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia tsy vitsy ihany koa ny mpandraharaha Malagasy no nifidy io fahanginana io rehefa anontaniana ny tena marina amin’ny tena fizotry ny fandraharahana eto Madagasikara ao anatin’izao krizy izao.
Raha misy mpandraharaha voatery tsy maintsy hanazava hevitra sy haneho ny fijeriny ny zava-misy imasom-bahoaka na amin’ny haino aman-jery ireny dia resaka fipasopasohana ny fitondrana FAT avokoa ny androatokon’ny zavatra ambarany. Rehefa halalinina anefa ny zava-misy dia mifanohitra tanteraka amin’ny voalazan’izy ireo ny zavatra iainan’ny orinasa tantaniny. Inona no hatahoran’izy ireo milaza ny marina ? Mpitantana orinasa iray fanta-daza eto amin’ny firenena, nifidy ny hangina ihany koa ary tsy nety hotononina anarana, no nilaza tamin’ny fitafatafana fohy taminy fa te hahita raha sy ho very kapoaka angaha raha miseho ho basy vava eo ?
Anontanio ireo mpitantana fikambanana sy sendikan’orinasa isan-tsokajiny toy ny GEM, SIM, FIVMPAMA, GEFP, hoy izy ny amin’ny nataon-dry zareo ireo amin’ny fikatonan’ny orinasa maro teto amin’ny firenena tao anatin’izay roa taona izay ? Nahoana ny ankamaroan’ny mpandraharaha no nifidy ny hangina amin’ny krizy miantraika mivantana amin’ny fandraharahany ? Ny zava-misy tokoa aloha raha jerena ety ivelany dia hita fa misy orinasa tena miroborobo fatratra na dia eo aza ny krizy raha tsy hilaza afa tsy ny fivelarana sy hadirin’ny toerana hametrahana ireny dokambarotra samihafa ireny isika, ny hamaroan’ny toby fitsinjarana solika goavana sy manara-penitra manerana ny tanàna ary ny fanatsarana sy fananganana orinasa vaovao etsy sy eroa ary sahanina orinasa matanjaka ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.