Mpandraharaha iharan’ny antsojay

> Ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana no fanafody


  • Zoma 11 Oktobra 2013

Tahaka ny nahazo ireo mpiasan’ny orinasa afakaba nikatona vokatry ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 dia niharan’ny fahavoazana lehibe koa ireo mpandraharaha mpanao lalana, trano ... anisan’izany Rtoa Ranaivosoa Voahirana.

Ny nahafantaran’ny FAT fa mpikambana tao amin’ny antoko TIM noforonin’ny Filoha Marc Ravalomanana no nanapahan-dry zareo ny fanomezana asa azy ary dia niharan’ny antsojay isan-karazany. Nisy fotoana aza, tamin’ny taona 2011, raha niaraka tamin’ny vahoaka nitaky ny famerenana ny ara-dalàna teo Ambohijatovo ity mpandraharaha ity dia nosamborina, nampidirina «violon» ary nalefa teny amin’ny tribonaly mihitsy. Nanambara Rtoa Voahirana fa tsy mampihontsona azy izany trangan-javatra izany ary manohy ny tolona nimatimatesana amin’ny fitakiana ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana hatrany ny tenany fa izy irery ihany no afaka hanavotra ity firenena nalatsaka anaty lavaka mangitsoka ity. Mila manambatra hery isika niharan’ny antsojay rehetra, hoy izy, ka hivondrona hanatanteraka ny toromarika nomen’i Dada mba ahafahany mody an-tanindrazana ka ho tokana ny safidy amin’ny faha-25 oktobra dia ny fifidianana an’ny Dr Robinson Jean Louis.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT