Mpandraharaha Alaotra Mangoro

> Mivondrona hiady amin’ny tsy rariny


  • Talata 10 Septambra 2013


Latsaka an-katerena ny mpandraharaha any Alaotra Mangoro. Mahatsiaro atao ankilabao sy anaovana taingim-bozona izy ireo ka nanambatra ny heriny ao anaty fikambanana iray. Tafajoro ny faran’ny herinandro teo ny GROPECAM (Groupement des Opérateur Economique d’Alaotra Mangoro). Betsaka ireo mpandraharaha maty mangingina vokatry ny krizy, koa hisorohana ny fitaran’izany dia nivondrona ny mpandraharaha miisa 20 eo ho avy amin’ny Distrikan’Amparafaravola, Ambatondrazaka ary Moramanga. Maro ny olana sedrainay, hoy Rabeony Andrianirina, filohany. Te hijanona ho mpandraharaha izahay, hoy izy koa mila ny fifanomezan-tanana avy amin’ny fitondram-panjakana. Hitabataba, hilaza ny tsy rariny mahazo azy kosa izy ireo raha misy ny manao be marenina.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT