Mpandehan’ilay Boeing 777 nanjavona

> Nesorin’i Paul Weeks mialoha ny peratra sy ny famantanandrony


  • Zoma 14 Martsa 2014


 

Enina andro aty aorian’ny nanjavonan’ilay fiaramanidina Boeing 777 mampitohy an’i Kuala Lumpur (Malezia) sy Pékin (Chine) an’ny kaompania Malaysia Airlines teny ampanidinana dia misy hatrany zava-baovao mipoitra na tsy mbola hita aza ilay fiaramanidina. Iray amin’ireo mpandeha niisa 239 tao anatin’io Boeing io i Paul Weeks. Ndeha hiasa any Mongolia no anton-diany. Ny sabotsy 08 martsa, nialoha indrindra ny handraisany fiaramanidina anefa dia nesoriny ny peratra sy ny famantaranandro teny an-tanany ary natolony an’i Danica Weeks vadiny sady nanafatra izy hoe : “raha sanatria misy manjo ahy any dia atolory ny zanatsika lahimatoa ny peratra rehefa hanambady izy, ary ny famantaranandro kosa ho an’ilay lahy faharoa”. Tsy nijanona naka sary tamin’ny “tablette” ireo vady aman-janany i Paul Weeks taorian’izay, hoy hatrany i Danica latsa-dranomaso mitantara ny fisarahan’izy ireo tamin’i Paul. Na izany aza dia mbola manantena ity farany fa hahita maso an’i Paul Weeks velona izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT