Actualités

Mpanazava sy Tily eto Madagasikara Nosokafana ny taom-pitaizana 2022-2023


  • Talata 08 Novambra 2022

Nosokafana ny sabotsy teo teny amin’ny FJKM Ilafy ny taom-pitaizana 2022-2023 eo anivon’ny sampana Mpanazava sy Tily eto Madagasikara, faritany Analamanga avaratra.

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny komitim-paritany Analamanga avaratra, Robson Domoina, dia fitondrana am-bavaka ny taom-pitaizana manontolo no nisantarana izany teny an-toerana. Nezahana nofafana ny tsy nety tamin’ny taona lasa rehetra mba ho vaovao ny vina amin’ny hoavy. Miezaka mivoatra, mandroso, fitaratra. 66 isa ankehitriny ny fivondronana eto amin’ny faritany Analamanga avaratra, izany hoe efa nisy ireo notokanana ary ny iray ho tokananay ny 13 novambra izao. Mpitondra fivavahana avy amin’ireo sinodam-piangonana miisa 5 ahitana solotena avy amin’ny FJKM dia ny Sampati, FLM dia ny FSFLM, EEM dia ny SKOA, ny avy amin’ny FNTA ary METM. Nankasitrahana tamin’io fotoana io koa ireo filoham-paritany mifanesy satria ao anatin’ny fankalazana ny faha 100 taonan’ny tily isika izao. Ankatoka ihany koa ny famaranana ny faha 80 taonan’ny mpanazava sy ny faha 75 taonan’ny sampana mena. Narahabaina tao anatin’izao koa ireo zanaka mendrika 4 mianadahy nandritry ny taom-pitaizana. 2 tily, 2 mpanazava. Ny zanakay eto Analamanga avaratra, hoy hatrany izy ireo, no andrarezina nahita ny sary famantarana na logo faha 100 taonan’ny mpanazava sy tily eto Madagasikara. Ho an’ny mpanazava kosa dia miisa 1200 ny mpikambana manenika an’Analamahitsy hatrany Anjozorobe raha ho an’Analamanga avaratra, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Ireo mpiandraikitra Mpanazava sy Tily eto Madagasikara
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT