Nambara tao anatin’ny tatitry ny minisitra omaly, fa eo an-dalam-piaraha-miasa
tanteraka ny fitondrana Afrikanina Tatsimo sy ny Fitondrana Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny sy ny Minisiteran’ny Fitsarana mikasika ny volamena 73,5kg tratra. Nalefa eo am-pelantanan’ny Departemanta Afrikanina Tatsimo avokoa ireo antontan-taratasy rehetra manodidina ity raharaha ity. Efa nalefa ihany koa ny “Mandat d’arrêt international” na didy fampisamborana iraisam-pirenena ho an’ireo voarohirohy amin’ity raharaha ity, ary mitohy ny famotorana na eto an-toerana na any Afrika Atsimo, hoy ny Fitondrana. Efa nisy ny fangatahana ny famerenana ireo olona ireo sy ny entana eto Madagasikara (Demande d’extradition). Nambara fa hisy fifanantonana bebe kokoa amin’ny Fitondrana Afrikanina Tatsimo hanamafisana ny figfampiraharahana ara-diplomatika mba hanatanterahana ny raharaham-pitsarana eto Madagasikara ka hameranana ny volamena eto satria voaporofo fa niainga teto an-toerana ireo ary teratany Malagasy no voarohirohy. Ny fitondrana dia tsy mitsahatra ny miady amin’ny fanondranana antsokosoko harem-pirenena rehetra indrindra ny volamena sy vatosoa, hoy ny tatitra. Tsy dia misy zava-baovao firy ny fivoarany sy zava-baovao firy fa ny eo ihany no miverimberina. Ny hany somary vaovao dia ny hoe “Mandat d’arrêt international”. Angaha moa tsy efa ny “Interpol”, izay efa ny polisy iraisam-pirenena no mandray an-tànana ny raharaha? Angaha moa tsy efa voasambotra izy ireo no mbola hilana didy fampisamborana iraisam-pirenena? Nampametra-panontaniana ny maro ihany koa ny momba ny tompon’ny kaompania STA izay tsy mba voakitika sy tsy voaresaka mihitsy. Voalaza fa efa tsy eto Madagasikara intsony ka ny eto aza havotsotra kanefa dia ny efa tratra indray no hoe hamoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.