Actualités

Mpanao politika Mitohy ny sinema eny an-kianja


  • Sabotsy 16 Martsa 2013

Nifamotoana teny an-kianjan’i Mahamasina indray omaly zoma folakandro ireo mpanao politika avy amin’ny ankolafy samihafa nanao fanazarantena ka nifanandrina fohy tamin’ny ekipa “vétéran”-n’ny Cnaps Sport.

 Toa tamana amin’ny filalaovam-baolina ny fahitana azy ireo. Mbola tazana tao daholo ny ankamaroan’ireo nilalao tamin’ny alahady raha tsy hitanisa afa-tsy ry pasitera Mailhol niaraka tamin’ny filohan’ny antokony GFFM, Rakotovao Andriamparany, ry pasitra Tsarahame Edouard sy Camille Mektoub (ankolafy Zafy), ry Haja Resampa sy Hery Rasoamaromaka (ankolafy Rajoelina), Zafilahy Stanislas sy Ralaiseheno Guy Maxime (ankolafy Ravalomanana) … Raha ny filazan’ny jeneraly Dolin Rasolosoa filohan’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita nijanona ho mpanazatra mpanampy teny Mahamasina omaly, dia hotazonina tsy avela ho votsotra intsony ny “fair play” efa azon’ireo mpanao politika ireo fa nety ny fifampiresahana ety an-kianja ka tokony hotohizana hatrany amin’ny toeran-kafa izany fa izay no tadiavin’ity firenena ity. Raha ny marina moa izany dia tena baolina politika ity ataon-dry zareo ity na eo aza ny sarintsarim-panatanjahantena ezahan’izy ireo aseho ety ivelany. Fantatra fa hotontosaina any amin’ny kianja sentetikan’i Carion ny fanazarantenan-dry zareo manaraka amin’io herinandro ho avy io.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT