Actualités

Mpanao gazety Ony Rambelo Efa mihatsara ny fahasalamany, mitohy tolo-tanana


  • Alarobia 20 Aprily 2022

Taorian’ny fandidiana natao tamin’ny lohan’ny mpanao gazety Ony Rambelo vokatry ny fahatapahan’ny lalan-dra nihatra taminy dia fantatra fa efa mihatsara ny fahasalamany ankehitriny.

Efa manomboka misakafo ihany koa izy raha araka ny loharanom-baovao azo. Na izany aza anefa dia mbola betsaka ireo ilain’ny fianakaviany sy ny vady aman-janany vola entina hikarakarana ny fahasalamany. Anisan’ireny ny fanafodiny….Manoloana io tranga io dia hikarakara tolo-tanana ho azy ny Fikambanan’ny mpanao gazety tanora na ny Association des jeunes journalistes de Madagagascar. Etsy amin’ny toeram-pisakafoanana Au bon Acceuil Ambatonakanga no hanatanterahana anio alarobia 20 aprily manomboka amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora hariva. Ankoatra ireo mpanao gazety izay efa hisaoran’ny fikambanana sahady tamin’ny tolo-tanana sy ny vavaka nasandrany dia miantso ny rehetra ihany koa ny AJJM mba ho avy hanohana ny antson’izy ireo amin’ity tontolo andro ity.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT