Efa mananosarotra amin’izao fotoana ho an’ny mpanao gazety Malagasy ny mikaroka sy mahita vaovao marim-pototra. Efa vitsy mantsy ny olom-pirenena tena sahy manome izany eto amintsika.
Na olon-tsotra io na olo-malaza, eny fa na dia ny mpitondra ambony aza dia mazàna potipoti-baovao na koa filazana an-kolaka sy tsy feno ny zava-misy marina no omen’izy ireo, noho ny tahotra na koa sao very seza. Mihidy ny loharanom-baovao, hany ka voatery ireo mpanao gazetintsika mampiasa ireo mari-piatoam-pitandremana samihafa toy ny tsoraka (!) sy ny baraingo (?) mba hialana amin’ny mety ho arakaraka. Ny familafilana ataon’ireo mpanao politika sy ireo tokony hanome vaovao eny amin’ny toeram-panadihadiana moa manginy fotsiny ka manjary mahavitsy ny lahatsoratra ao anaty gazety iray ary manery azy ireo hameno ny pejiny amin’ny dokambarotra matetika. Mampitsiriritra ny mahita ireo gazety sangany any amin’ny tany demokratika. Ny gazety Le Monde izay any Frantsa izao dia ny pejy voalohany fotsiny dia efa ahitana lahatsoratra miisa 9 ary mahatratra 10 mahery mihitsy aza indraindray. Toy izany koa ireo gazety any amin’ny tany miteny anglisy toa an’ny Daily News sy Washigton Post izay tsy lany laniana ny lahatsoratra ao anatiny. Any amin’ireo toerana ireo anefa dia mbola zaraina maimaimpoana koa fa tsy vidiana ireo gazety misy dokambarotra. Tena mitosaka fotsiny, araka izany, ny vaovao any amin’ireo firenen-dehibe fa zara raha misy ny afenina. Ny eto amintsika anefa, ireo mpanao gazety dia efa sady iharan’ny familafilana no mbola tandindomin-doza amin’ny fanagejana amin’ity lalànan’ny serasera vaovao kasain’ireo tsy mahatanty demokrasia hampiharina ity. Mbola ho lavitry ny afo ny kitay raha izao no mitohy eto.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.