Araka ny tatitra navoakan’ny Média Baromètre 2010 dia anjakan’ny fironana ara-kevitra ny asa fanaovan-gazety malagasy amin’ny ankapobeny.
Ny hevitra ara-politikan’ny mpanao gazety no mibaiko ny lahatsorany noho ny tsy fahafantarana ireo fitsipika mifehy ny asa sy ny tsy fisian’ny fiofanana. Misy koa anefa ireo tompon’ny orinasa no mibaiko ny mpanao gazety momba ny lahatsoratra soratana na vaovao ampitaina amin’ny haino aman-jery. Ireo gazety fananan’ny mpanao politika mazàna no ahitana izay. Ankoatra izay anefa dia tsikaritra ny tsy fahampian’ny fanamarinana ny vaovao mialoha ny hamoahana azy. Misy koa anefa ny lahatsoratra sasany hisarihana mpamaky fotsiny, izany hoe natao handafosana gazety. Momba ny haino amanjerim-panjakana dia milaza ity tatitra ity fa tsy misy ny fahalalahana amin’ny fanatanterahan’ireo mpanao gazety ny asany.
Tsy manana fahafaha-miteny malalaka ao amin’ny RNM sy TVM ny mpanohitra fa izay baiko avy amin’ny mpitondra no arahina. Nomarihin’ireo mpanoratra ny fanadihadiana fa mijanona ho fampanantenana fotsiny ny filazan’ireo mpanao politika fa hisokatra ho an’ny rehetra ny haino aman-jerim-panjakana rehefa tonga amin’ny toerany izy. Nomarihana tao amin’ny Média Baromètre 2010 koa ny fitontongan’ny fepetra hiasan’ny mpanao gazety noho ny risika amin’ny asa, ny tsy fahampian’ny fitaovana ary koa ny hakelin’ny karama. Misy ny mpanao gazety mandray 80.000 ariary monja isam-bolana. Fa ny tena misarika ny saina dia ny fahasimban’ny fifandraisan’ny mpanao gazety noho ny hevitra ara-politika tsy mitovy. Voalaza fa misy mihitsy ireo mandray anjara mivantana na miditra an-tsehatra mihitsy aza amin’ny politika.
Na izany aza dia mihamaro ny gazety mivoaka ary mitombo isa koa ireo ivotoeram-piofanana. Misy ny soso-kevitra sasantsasany naroson’ireo mpanoratra ny tatitra toy ny fanomezana fiofanana zaraina isaky ny sehatra, ny fanofanana momba ny fitantanana orinasa fanaovan-gazety ho an’ny tompony, ny famoahana haingana ny sata mifehy ny serasera ary ny fametrahana «code de déontologie» ho an’ny mpanao gazety. Mpanao gazety malagasy an-tsoratra sy avy amin’ny onjampeo miampy sokajin’olona maro avy amin’ny fiarahamonim-pirenena no nanao fanadihadiana sy nanoratra ny Média Baromètre 2010.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.