Actualités

Mpanao gazety malagasy Manao tolo-tanana ireo mpiray ombon’antoka iraisam-pirenena


  • Zoma 29 Aprily 2011

Mpanome vaovao, mpampahalala vaovao, mpanabe, samy andraikitra goavana sahanin’ny mpanao gazety ireo.

Raha ny raharaham-pirenena ankehitriny dia tsy misy afaka miala fa dia nanana ary manana andraikitra goavana amin’izao kizo misy eto amin’ny firenena izao ireo mpanao gazety malagasy. Manoloana izany andraikitra lehibe izany dia mila olona matihanina sy mahay ny asany ity asa fanaovan-gazety ity. Hanampiana ireo mpanao gazety Malagasy àry dia nivondrona ireo mpiray ombon’antoka, dia ny masoivoho amerikanina, ny WWF, ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana na ny Pnud, ny Banky Iraisam-pirenena fa hanangana foibe ho an’ny asa fanaovan-gazety etsy Antsakaviro, miray trano amin’ny WWF. Ho foibe moderna, hampiasa ireo teknolojia manara-penitry ny fifandraisana ity foibe vaovao ity, araka ny fanazavan’i Brett Bruen, mpanolotsaina eo amin’ny sehatry ny serasera sy ny kolontsaina eo anivon’ny masoivoho amerikanina. Hahitana ireo antontan-kevitra sy antontam-baovao hanampy ireo mpanao gazety ity foibe ity. Ankoatra izay dia hisy solosaina 20 eo ho eo koa ao amin’ilay foibe izay azon’ny mpanao gazety ampiasaina. Azo hanaovana ‘visio conférence’ ihany koa ao amin’ity foibe vaovao ity izay hisokatra ho an’ny mpanao gazety amin’ny antsasaky ny volana mey any ho any.

Ny 3 mey ho avy izao moa no hanamarihana ny andro natokana ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Betsaka no azo resahina raha ny momba ity asa ity. Betsaka ihany koa ireo fandaharam-potoana ho amin’io fotoana io toy ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra eny amin’ny Samis Esic (Saint Michel) Amparibe momba ny hoe “le journalisme victime des journaliste’, adika tsotsotra hoe ‘ny asa fanaovan-gazety lasibatr’ireo mpanao gazety’. Eo koa ny hetsika eny amin’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny hoe «Les média au XXIe siècle : nouvelles frontières, nouveaux obstacles» na koa hoe ‘ny fampitam-baovaon’ny taonjato faha-21: zava-baovao sy sakana vaovao’. Ao anatin’izany no handinihana ny momba ny lalàna hiarovana ny mpanao gazety amin’ny fahalalahan’ny asa, ny sivana sy ny maro hafa.

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT