Nanao fanambarana ireo Olobe avy any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny ny sabotsy teo manoloana ny horonan-tsary navoakan’ilay mpanao gazetin’ny France 24 eto Madagasikara, Gaelle Borgia,
fa tena miharo fanambaniana sy eso ny razan’izy ireo ny horonantsary voizin’ity mpanao gazety frantsay ity any amin’ny tambazotran-tserasera Facebook. Nanamafy izy ireo fa tsy marina ny filazana fa mihinana hatramin’ny kapa hoditra ny kere any an-toerana. Miantso ny fitondram-panjakana izy ireo mba hijery ny zava-misy marina any an-toerana. Aleo hazava tsara fa tsy manakana izay mpanao gazety hanao fanadihadiana aty izahay fa ny filazana fa mihinana kapa hoditra kosa ny mponina aty dia melohinay satria fanambaniana ny razanay izany. Aty aminay ny teny diso “tena” kabary, hoy izy ireo, ka mangataka anao izahay ry madama mpanao gazety mba hiverina aty Androy hifona sy hanao ny fomba ho fanonerana izany fa tany masina ny aty, hoy hatrany ireto mpitana hazomanga ao Ambovombe Androy ireto. J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.