Naompana tamin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fanatsarana ny tontolo manodidina ny fankalazan’ny mpanao gazety avy amin’ny faritra Telo ao anatin’ny Faritanin’i Toamasina ny 03 mey, andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Vory lanona tao Moramanga avokoa ireo mpanao gazety an-tsoratra sy an-tsary ary am-bava avy any Alaotra Mangoro sy Analanjirofo ary Atsinanana. Samy nahatsapa ny rehetra fa mbola ilana ezaka lehibe ny fametrahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Niaiky ny CST Ramasy Adolphe fa avy amin’ny mpitondra indraindray ny teritery samihafa tsy ahafahan’ny mpanao gazety manao ny asany ara-dalàna. Ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro, Ramandehamanana Richard, kosa dia namaritra fa mipetraka ao amin’ny Faritra iadidiany izany fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany. Afaka mitsikera sy manakiana ny rehetra, hoy izy, saingy tokony hojerena ihany ny etika sy ny fitsipika mifehy anareo. Nanotrona hatrany ny mpanao gazety nandritra ny hetsika rehetra notanterahana ny 3 mey teo ny tomponandraikitra ara-panjakana isan-tokony notarihin’ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ireo mpikambana ao amin’ny Parlemanta roa tonta.
Nitarika ireo mpanao gazety kosa ny filohan’ny fikambanan’ny mpanao gazety ao anatin’ny Faritany Toamasina teo aloha (UJRT) Rajoelisolo Gilbert. Ankoatra ny fambolen-kazo “bois de rose” izay notanterahana tao amin’ny mozea Moramanga sy fambolena “palmier” tamin’ny sisin-dalana dia nisongadina ny fanokanana ny tsangambato faha-10 taonan’ny fikambanan’ny mpanao gazety ao Moramanga. Nisy ihany koa fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpanao gazety telo mianadahy mpikambana ao amin’ny fikambanana ny mpanao gazety Mangoro izay nahavita be tao anatin’ny fikambanana. Fiaraha-mikorana niaraka tamin’ny tarika Lôla tao amin’ny trano filanonana Bezanozano no namaranana ny hetsika. Voaporofo tamin’io datin’ny 3 mey 2013 io fa mahay miray hina sy afaka mandray andraikitra eo amin’ny fiarahamonina misy azy ny mpanao gazety rehetra ao anatin’ny faritra telo dia Alaotra Mangoro sy Analanjirofo ary Atsinanana. Lasa simenitra manamafy ny firaisankinan’izy ireo ny fahasamihafan’ny fomba fijery ny raharaham-pirenena.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.