Actualités

Mpanao gazety - “Cellule de crise” “Hanangana rafitra mahaleo tena izahay”


  • Alarobia 13 Oktobra 2021

Arakaraka ny maha atomotra ny fotoana voatondro hanaovana ny fifidianana izay ho Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) ny sabotsy 16 oktobra izao no vao mainka mihalalina ny tsy fitovian-kevitra.

 Manamafy ny fitakiana ny fanafoanana io fifidianana tondroin’izy ireo ho tsy ara-dalàna io ireo ao anatin’ny “Cellule de crise”, araka ny fanambaran’izy ireo omaly tetsy Antananinarenina. Nambaran-dry Fernand Cello sy Princie Ramanantsoavina omaly, fa ilay kandida tokana aza tsy vonona amin’ny firotsahan-kofidiana, fa ny ministeran’ny serasera no manery azy, tsy finiavana avy aminy ny fampielezan-kevitra fa avy amin’ny Minisiteran’ny serasera,... Nisy ny famoahana horonam-peo nifanaovan’ny roa tonta nandritra ny fihaonana tetsy amin’ny Karibotel ny herin’ny alahady teo. “Tany Tsiroanomandidy nofitahina ny mpanao gazety ho tonga, ary rehefa tonga tao dia noterena hanao fanambarana. Vao misy namana mijoro dia rahonana hoe horoahinay ianareo na hafindra toerana”, hoy I Fernand Cello. Noho ny zava-misy, nametraka fangatahana fihaonana tany amin’ireo filohana andrim-panjakana hatrany amin’ny Filoham-pirenena hampahafantarana ny dingana rehetra efa nolalovan’ny OJM tao anatin’ny fifandirana mandritra ny herintaona sy tapany ireo mpitarika ny “cellule de crise”. “Izahay dia mahatoky sy mino fa olon-kendry ireo tsy handà ireo fihaonana. Rehefa hanao zavatra izy ireo dia miantso ny mpanao gazety, ka anjaran’ny mpanao gazety indray izao no mba mila azy”, hoy I Princie Ramanantsoavina. Nambarany fa tsy maintsy hanangana ny rafitra hivondronan’ny mpanao gazety ireo ao anatin’ny “cellule de crise” mba ho fiarovana ny mpanao gazety, ka manaitra ny mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy ho tonga amin’ny 16 oktobra amin’ny fananganana io rafitra mahaleo tena io, ka hatomboka eto Antananarivo sy hovelarina any amin’ny faritra io. Samy mandrirotra ny heviny avy ny andaniny sy ny ankilany hatreto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT