Mpanao fanafihana mitam-piadiana

> Ravan’ny mpitandro ny filaminana ny «Bande des 15»


  • Zoma 23 Aogositra 2013

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny brigade Sabotsy Namehana ny 10 lahy ao anatin’ny “Bande des 15”, tompon’antoka tamin’ilay fanafihana nisesy teny Tsarafara Sabotsy Namehana sy Ankadikely Ilafy ny alin’ny 15 hifoha 16 aogositra 2013 tokony tamin’ny misasak’alina.

Raha tsiahivina ny zava-nitranga tamin’io andro io dia tokantrano iray teny Sabotsy Namehana no lasibatr’ireo jiolahy. Basy kalaky 3 sy poleta 2 no nampiasan’izy ireo. Maty voatifitra ny mpiambina ilay trano, fitaovana sarobidy maro no very. Teny Ankadikely Ilafy kosa taorian’io fanafihana io ihany dia fianakaviana iray hafa indray no notafihan’ireto jiolahy ireto. Vola 1.200.000 Ar no lasan’izy ireo tamin’izany. Maty voatifitry ny tompon-trano ny roa tamin’ireo jiolahy.

Nandray ny andraikiny avy hatrany nanao ny fanadihadiana sy fikarohana ireo jiolahy ny zandary avy ao amin’ny borigady Ankadikely Ilafy sy Sabotsy Namehana. Olona 10 no voasambotra ka ny 2 amin’ireo dia mpiambina ihany tao tamin’ireo trano voatafika, niray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy namoha ny trano. Marihana fa ny 1 tamin’izy 10 lahy dia nitolo-tena tany amin’ny fikambanana HAFARI Malagasy. Ity farany avy eo no nanatitra azy tany amin’ny mpitandro ny filaminana. Niaiky ny asa ratsy vitany izy. Nanoro ireo lehibeny izy dia i Mainty (efa maty voatifitry ny polisy), Ben Dodo, Donné ary Jedy (maty voatifitry ny zandary). Ny fanadihadiana no nahafantarana fa izy ireto no lehiben-jiolahy tompomarika tamin’ireo fanafihana nateti-pitranga teny amin’ny faritra Avaradrano, Antananarivo Renivohitra ary Talatamaty sy ny manodidina. Mbola misy jiolahy roa tompomarika tamin’ity raharaha ity karohin’ny mpitandro ny filaminana fatratra, toy izany koa ireo basy nampiasain’izy ireo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT