Actualités

Mpanao asa tanana voasambotra tao Ambositra Nahazo LP izy telo, amin’ny 4 jolay ny fitsarana


  • Talata 24 Mey 2011

Tomefy olona teo anoloan’ny Lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambositra eo Ambohimiadana omaly alatsinainy 23 mey, niandry fatratra izay ho tohin’ny raharaha mikasika ireo mpanao asa tanana telolahy zanak’Ambositra, voampanga ho nanao fitrandrahana ala tsy nahazoan-dalana tany Ankazotsararavina, Kaominina Vohidahy tamin’ny 29 aprily 2011 teo.

 Ny fiadidiam-paritry ny rano sy ny ala, ny Faritra Amoron’i Mania, ary mpitandro ny filaminana no nisambotra azy telo lahy ireto tany Vohidahy. Mpivarotra hazo ny roa amin’izy ireo, mpanampy ny mpamily fiara kosa ny iray izay samy naiditra am-ponja vonjimaika tao Ambositra avokoa nanomboka ny 02 mey lasa teo. Omaly izy ireo no natao fanadihadiana lalina ka rehefa namoaka didy savaranonando ny teo anivon’ny Fampanoavana dia nahazo fahafahana vonjimaika avokoa izy telo mirahalahy ireto. Hatao amin’ny 04 jolay ho avy izao kosa ny fotoam-pitsarana manaraka azy ireo. Tsy niatrika io fotoam-pitsarana io omaly ireo mpitory. Izy telo lahy voampanga sy ny mpisolovava azy ireo no niatrika ny fitsarana omaly.

Tsy ao Amoron’i Mania ihany no nisy olona voatana am-ponja noho ny resaka fitaterana na fitrandrahana azo ala io fa faritra maro toa an’Atsinanana, Analanjirofo, SAVA, Menabe, Sofia, Melaky hatrany Boeny iny no misy migadra amin’izao fotoana. Araka izany dai hamaritra zavatra maro ity fanapahan-kevitry ny Fitsarana ao Ambositra ity, satria dia ho lasa didy fakan-tahaka izay havoakan’ny Fitsarana amin’io 04 jolay io. Isan’ny fototry ny fihetsiketsehana sy fitakian’ireo mpanao asa tanana tao an-toerana anefa ny hamoahana ireo am-ponja azy telo lahy, izay nidinan’izy ireo an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy mihitsy ny sabotsy 14 mey lasa teo ary saika mbola hohamafisin’izy ireo ny sabotsy 21 mety teo, raha tsy nalaky nidina tany an-toerana nandamin-draharaha ny minisitra isany Riana Andriamandavy VII, misahana ny fizahantany sy ny asa tanana, sy ny jeneraly Raveloharison Herilanto, misahana ny tontolo iainana sy ny ala. Miandry ny fampiharana ireo vahaolana hita nandritra ny fihaonana tao Andrefatsena tamin’io sabotsy 21 mey io ireo mpanao asa tanana ao Amoron’i Mania amin’izao fotoana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT