Iray amin’ireo efa nahatafatsangana fotodrafitrasa mitovy, vita amin’ny rindrim-bato ny etsy Ambodivona, izay mivondrona ao anatin’ny fikambanana FIMPITAMA,
ary misy mpivarotra hatrany amin’ny efa-jato (400) any, izay herim-pon’izy ireo manokana, tsy nisy fanampiana avy any ivelany, ary misy aza no tsy nahatafajoro ny azy, noho ny enti-manana. Efa mihena rahateo na ny teratany mitsidika izay mitady fanomezana ho an’ny havany hiondrana any ampita, na ireo mpizahatany mandalo ao anatin’ny fotoanan’ny fialantsasatra, ny volana jolay, ka mampihena ny fidiram-bola. Ao anatin’ny herinandro aza, dia misy fotoana tsy misy manontany mihitsy, hoy izy ireo. Efa mba niezahan’ny mpikambana ny fitandroana ny filaminana amin’ny fanakaramana mpiambina ny amin’ny antoandro na amin’ny alina. Tahaka izany koa ny fiambenana ny fiarakodia, satria anisan’ny antony tsy maharisika ny vahiny handalo eny Andravoahangy, izany sehatra izany teo aloha. Ny amin’ny fandraisantsika ny fivoriambe, an’ireo firenena mampiasa ampahany, na iray manontolo ny teny Frantsay, dia mba manantena ny fiantsoana ataon’ny tompon’andraikitra mahakasika izany, ireto mpanao asa tanana ireto izay hivondronan’ny mpanao vato sy ny mpivarotra lamba ary ny asa sikotra ireo. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy nihaino sy niantso izy ireo, raha nambaran’ny solontenany.
a.f
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.