Mbola olan’ireo mpampivelona eto amintsika amin’izao ny tsy fahampian’ny fitaovana, indrindra fa ireo hopitaly any ambanivohitra.
Fantatra io hoy izy ireo nandritra ny fihaonambe tanterahin’ireo mpampivelona mivondrona ao amin’ny holafitra etsy amin’ny Live hotel Andavamamba nanomboka omaly. Ankoatra izay dia mbola olan’izy ireo ihany koa ny tsy fahafantarana marina ny isan’ireo tena mpampivelona manerana ny Nosy sy ny tsy fananan’ny sasany asa, antony hangatahin’izy ireo ny hanomezana sehatra azy eo anivon’ny Ministera. Hifarana anio moa ity fihaonana tanterahin’ity izay arahin’ny fampahatsiahivana hatrany ny lalana mikasika ny asan’ny mpampivelona mba tsy hahadiso lalana ny sasany. Nanamarika ny filohan’izy ireo Razafindraibe Omega fa miisa 5.000 ankehitriny ireo mpampivelona eo ambany fiahiany. Tanjona hapetrak’izy ireo hatramin’ny taona 2019 ny hampihenana ho 300 isa ny isan’ireo zaza mamoy ny ainy tsy fidiny eo am-piterahana amin’ireo iray hetsy velona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.