Actualités

Mpampihorohoro 4x4 fotsy karohina fatratra


  • Alarobia 23 Martsa 2011


Fiara 4x4 iray miloko fotsy no karohin’ny mpitandro ny filaminana fatratra hatramin’izao. Araka ny loharanom-baovao dia nampihorohoro mpivarotra iray teny main’ny tsenan’Anosibe ny olona telo milaza fa polisy tao anatin’ity fiara ity. Nalain’izy ireo an-keriny mihitsy io mpivarotra io ka rehefa tonga teny Andavamamba dia notakian’izy ireo vola. Nisy vola manodidina ny 8 alina tany amin’ilay mpivarotra dia nomeny ireo olona telo ireo. Taorian’izay dia navotsotr’izy ireo ilay mpivarotra.

Taorian’io indray dia fantatra fa mbola io fiara 4x4 fotsy io ihany koa voalaza fa nanenjika ilay fiara Mercedes avy naka vola tany Ivato. Tsy tratran’ilay fiara mihitsy anefa ilay Mercedes raha tsy teny amin’ny tompony teny Namontana. Tezitra mafy ireo olona tao anatin’ilay fiara 4x4 ka nodarohin’izy ireo ilay mpamily. Nitsoaka anefa izy ireo taorian’izay. Naratra mafy ilay mpamily. Na tamin’ilay fiara 4x4 naka an-keriny ilay mpivarotra na ilay nifanenjika tamin’ilay Mercedes dia samy tsy nisy laharana avokoa.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT