Actualités

Mpampiasa vola vahiny Mananjo hitory ivelan’ny firenena mpampiantrano


  • Sabotsy 18 Jona 2016

Misy ny lalŕna manerantany ahafahan’ny olom-pirenena vahiny monina ao amin’ny tany anankiray mitondra raharaham-pitsarana any amin’ny firenena niaviany

 

. Mipetraka moa ny zo hananan’ny teratany vahiny mitory any amin’ny fitsarana niaviany manoloana ny fandikan-dalàna sy ny tsy rariny nihatra taminy. Tsy voafehin’ny fifanarahana manokana na iraisampirenena mazava anefa ny fampiharana azy. Ohatra tokana fanehoana izany efa niainantsika rahateo ny fitsarana an’i Mamod Taki tany Frantsa nanodidina ny taona 2000 tany izay zava-nisy sy nitranga teto Madagasikara. Adinodino sy tsy noresahina teto amintsika loatra hatrizay ny fisian’ity lalàna ity. Azo ambara fa mifanaraka tsara amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena Malagasy anefa ny lohahevitra momba ny fiarovana ny fampiasambola amin’ny alalan’ny fitsarana ivelan’ny firenena mpampiantrano nosafidin’ireo mpianatra indray mihira hivoaka tsy ho ela eo anivon’ny «Hautes Etudes Commerciales» frantsay tonga miatrika fiofanana eto amintsika amin’izao fotoana izao. Zava-dehibe rahateo ny fahafantarana ny momba azy io ho an’ny fiarahamonina malagasy, indrindra ho an’ny tontolon’ny fandraharahana mbola marefo ankehitriny. Manosika ny mpandraharaha mampiasa vola vahiny hitondra ny raharaham-pitsarana any ivelany moa matetika ny tsy fahatokisana ny fitsarana ao anatin’ny firenena mpampiantrano, araka ny fanazavan’ireo manampahazaina namelabelatra ny lohahevitra teny amin’ny Carlton Anosy.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT