Actualités

Mpampianatra roa nohelohina higadra 10 taona Nahenan’ny fitsarana ambony 5 taona sazy mihantona


  • Alatsinainy 11 Jolay 2022

Navoaka ny fonja ny alakamisy 07 jolay 2022 ireo mpianatra roalahy notondroina ho namotika ny sekoly CEG manara-penitra tao Ambodiampana any Bealanana ny 16 aprily lasa teo, raha ny vaovao azo avy any an-toerana.

Izy ireo izay voalaza fa tondro molotra no nandetehana azy, ka nohelohin’ny fitsarana ambaratonga voalohany higadra 10 taona sazy mihatra. Tsy faly tamin’izany anefa ireo fokonolona, ka nijoro nitaky ny hamoahana azy ireo, nanamafy fa tondro molotra sy lonilony no nandetehana azy ireo. Nitaky fanadiadiana lalina ny mponina mba hivohahan'ny tena marina. Tonga hatrany amin’ny hoe: horaisin’izy ireo ny fanamboarana ny simba, ka nandeha hatramin’ny tsipaipaika nahangonana vola 1 735 000Ar mba hanamboarana izay voalaza fa simba. Nandeha ihany koa ny fampiakarana ny raharaha tany amin’ny Fitsarana ambony “Cour d’appel” tao Mahajanga. Nivoaka ny talata 05 jolay teo ny didy, ka nampihena ny sazin’izy ireo ho 5 taona sazy mihantona na “sursis” taorian’io fampiakarana natao io. Nivoaka ny fonja izany izy miralahy ireo, saingy mbola tataovan-tsazy mihantona noho ity raharaha ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT