Vita omaly maraina, nanerana ny Nosy, ny fanadinam-panjakana ahazoana diplaoma BEPC.
Raha niomana hameno “fiche de vacation”, taratasy hanamarinana ny handraisana vola tambiny amin’ny fitsarana fanadinana sy koa tamin’ny fiambenana nandritra ny fanadinana, ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina tamin’ny faritra Atsimondrano dia gaga fa tsy nisy izany ary voalazan’ny tompon’andraikitry ny fanadinana fa tsy nahazo “décision” mahakasika izany ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina izay nanao “surveillance”nandritry ny BEPC 2016. Gaga ny rehetra satria olona nahazo fiantsoana mazava amin’ny fanjakana ireto nanao “surveillance”. Raikitra ny fitakiana ary niantso mpanao gazety ny mpampianatra satria nahatsiaro voafitaky ny minisiteran’ny fampianarana indray. Ny “vacation” tamin’ny 2014 ka hatramin’ny izao aza tsy azo ho an’ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina. Efa mihafy sy nangina ry zareo teo anoloan’izany ary dia nitsara sy nanao “surveillance” ihany tamin’ny CEPE sy BEPC teo. Feno tanteraka ny kapoaka ankehitriny. Ny “subvention” mba fandray isan-taona ho an’ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina moa efa natao veloma ary tsy nisy intsony nandritry ny fitondrana HVM. Ny fanaovana antsojay amin’ny sekoly tsy miankina manginy fotsiny satria raha dradraina fa tsy an-tery ny examen blanc BEPC sy CEPE araka ny lazain’ny minisiteran’ny fampianarana dia takiana vola ary terena an-kolaka hanao ireny ary omen’ny Talen’ny CEG sy ny Chef Zap amin’ny toerana sasany fandrahonana rehefa tsy mety manao. Fitondram-panjakana tsy mahaloa vola ary tsy mitsimbina ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina izao fitondrana izao ka asa izay ho vokany eo amin’ny sehatry ny fampianarana atsy ho atsy. Mikomy tsy hanao “surveillance” amin’ny BACC ihany koa manko ireto mpampianatra ireto noho ny fampanantenana lava sy famitahana azy ireo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.