Actualités

Mpampianatra FRAM Tsy misy mpiraharaha


  • Talata 16 Aprily 2013

Herinandro omaly no nanao fitokonana ireo mpampianatra FRAM eto amin’ny Faritra Analamanga.

 Fahataran’ny vola fanampiana avy amin’ny fanjakana raisina isaky ny 2 volana no antony. Raha ny fanazavan’ny mpampianatra FRAM iray dia efa hatramin’ny janoary 2013 izy ireo no tsy nahazo io fanampiana io intsony ka roso amin’izao fitokonana eo anoloan’ny Ministeran’ny fanabeazana etsy Anosy izao. Tena tsy misy mpiraharaha tokoa ny fanabeazana amin’ny ankapobeny matoa efa herinandro tsy nampianatra ireo mpanabe FRAM nefa tsy misy vahaolana avy amin’ny tomponandraikitra.

Variana manao politika ny minisitra Manoro Régis izay lany filoha vaovaon’ny antoko UNDD ka tsy mahita ny eo ambany maso. Nandritra ny fambolen-kazo nataon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena anefa ny minisitra Manoro Régis dia nampanantena ireo mpampianatra FRAM fa tsy ho tara intsony ny fandoavana ny tambinkarama 220 000Ar isan-droa volana, nefa indrisy ! Milaza ny tsy hiverina hiasa mihitsy moa ireo mpitokona raha tsy mivaha ny olany. Ireo zaza Malagasy izay tsy afaka manao na inona na inona izany no tena voa mafy satria tsy mba manana zo mitokona. Ireo mpanala fanadinana no tena mahita faisana satria ao anatin’ny vanimpotoana famerenana farany indrindra izao. Raha niresaka tamin’ny onjam-peo tsy miankina iray ny Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny fanabeazana Rabetahiana Pascal dia niaiky ny fahataran’ny fandefasana ny vola fanampiana ho an’ny mpampianatra FRAM saingy manana andraikitra amin’izany koa, hoy izy ny Ministeran’ny vola.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT