Niampy 200 indray ireo mpampianatra FRAM vaovao vao noraisina ho mpiasam-panjakana tafiditra ao anatin’ireo 10.000 isan-taona, fampanantenana nataon’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena.
Tetsy amin’ny INFP Mahamasina no nanatanterahana izany omaly, mpampianatra izay nivoaka avy tamin’ny Ecole Normale Supérieur avokoa. Avy amin’ny faritany enina manerana ny Nosy izy ireo izay fantatra fa handray mpianatra eny anivon’ny lycée avy hatrany, taorian’ny fiofanana narahiny. Raha araka ny fanazavan-dRabealalana Sandro, tompon’andraikitra misahana ny maha olona eo anivon’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena dia ilay mpampianatra 10.000 isan-taona ihany aloha no zakan’ny fanjakana hatreto na dia mitaky ny hampitomboana izany aza ireo sendika sy fikambanana maro samihafa. Tsy maintsy mbola misy ny fifampiresahana maro isan-karazany izay vao mety ho tonga amin’izany isika, hoy izy. Mikasika ireo sendika nanao fitakiana ka efa mizotra amin’ny fifampiresahana ambony latabatra ankehitriny dia fantatra fa nanome azy ireo roa herinandro ny minisiteran’ny vola sy tetibola mba handinihina ny fampiakarana ny karaman’izy ireo. Manohana azy ireo amin’izany moa ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana miaraka amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.