Manodidina ny 7 alina any ho any ireo mpampianatra FRAM eto Madagasikara ka ny maro an’isa amin’izy ireo, 4 alina any ho any dia mampianatra eny amin’ireo sekoly fanabeazana fototra.
Araka ny fanazavana dia ireo manana ny mari-pahaizana Bepc ny ankamaroan’izy ireo. Isan’ny olana sedrain’ireto farany anefa ny fanilihana ireo tsy manana bakalôrea rehefa
Ambonin’izany rehetra izany dia matetika no tratry ny teritery ireo mpampianatra FRAM ary tsy mitovy amin’ny mpampianatra raikitra ny fijery sy ny fitondrana azy. Noho izany dia takian’ireo mpampianatra FRAM ihany koa ny hijerena ny sata mifehy azy ireo satria sadasada manantsoratra sady tsy an’ny FRAM no tsy an’ny fanjakana. Mila hatsaraina ihany koa ny fifanarahana amin’ny mpampiasa ka isan’izany ohatra ny fampidirana azy ireo ho mpikambana eo anivon’ny Cnaps. Hihaona amin’ny ministera mpiahy moa ny solontenan’ireo mpampianatra FRAM mivondrona ao amin’ny ANEFA sy STEM amin’ity herinandro ity ka amin’izay no hitondran’izy ireo ireo fitakiany ireo. Tsy vitsy amin’ireo mpampianatra FRAM mantsy no misedra olana amin’ny fanatontosana ny asany toy ny dian-tongotra andro vitsivitsy na koa ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fisian’ny fifandraisana sy ny fahasahiranana maro samihafa ka izany no antony hanamafisan’izy ireo ny fitakiany.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.