Tsy mbola tapitra hatreo ny raharaha momba ny fifamaliana teo amin’i Dadan’i Brayan na Depiote Andry Ratsivahiny sy ilay mpampianatra taranja ara-panatanjahantena (EPS) Ramose Njara na Randriamanendrika Anjarasoa.
Nanazava ity mpampianatra EPS efa 26 taona niasana ity, fa nisy ampahany tamin’ny resaka sy fifamaliana no tsy tafiditra tao anatin’ny horonan-tsary navoakan’ny depiote Andry Ratsivahiny. “Nanompa izy, hoe: aiza ilay mpampianatra, fa maninona ny zanako no atao ohatran’izao, ompa, ompa, ompa, ompa nisesisesy no tohiny, ary ny mpianatra dia vavolombelon’ny zava-nitranga”, hoy i Ramose Njara omaly tamin’ny fampahalalam-baovao. Nilaza io mpampianatra io, fa tsy nekeny ilay hoe atao izay tiany atao, izay vitany no atao satria manimba ny moralin’ny mpianatra rehetra... Mifanindran-dàlana amin’izay, nanao fanambarana ny Sendikan’ny mpampianatra EPS omaly, fa tsy Ramose Njara irery no voahivahiva fa ny taranja ara-panatanjahantena mihitsy. Mitaky fifonana ampahibemaso, ary mitaky ny fanesorana ny Depiote Andry Ratsivahiny tsy ho Filohan’ny Kaomisionin’ny fanatanjahantena ao amin’ny Antenimieram-pirenena izy ireo. “Tsy maintsy atao, tsy mifidy ankizy, mahatsapa izany Atoa depiotee ka tonga namingavinga an-dramose Njara. Miray hina ny mpampianatra”, hoy izy ireo. “Satria am-pahibemaso ny fanalam-baraka nataon’Atoa depiote an’Atoa Njara, ka tsy izy irery intsony no mijoro fa eritreretinay fa izahay rehetra no natao izany. Teo imason’ny zanakay no natao, ka mangataka fifonana ampahibemaso eo anatrehan’Atoa Njara, eo anatrehanay mpampianatra, eo anatrehan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra tafitohina, eo anatrehan’ny mpianatra. Nilaza kosa ny vadin’ny Depiote Andry Ratsivahiny omaly, raha niresaka an-taroby tamina vehivavy iray antsoina hoe: Vanessa Manonga hoe: “tsy afaka hifona intsony izahay, efa nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ary nisy fialan-tsiny tao, assumé”-nay ny “responsabilité” anay”.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.