Actualités

Mpampanjana-bola Mitaraina ho tsy misy mpanjifa firy intsony


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Tsy mandeha intsony ny asan’ireo mpampanjana-bola amin’izao. Raha araka ny fantatra anefa dia fianakaviana am-polony no mivelona amin’izy io eto an-drenivohitra ka misy ireo efa nanao izany tany amin’ny 20 taona lasa tany

mihitsy ary tena natsangan-javatra maro. Raha tsiahivina kely mantsy dia 100% ny zanaky ny vola hampindramin’izy ireny ao anatin’ny iray volana monja. Raha 100.000 Ar no alaina sy hindramina anio alatsinainy 07 novambra ohatra miaraka amin’ny antoka mifanaraka amin’izany dia miverina 200.000 Ar izany amin’ny 07 desambra ho avy io. Raha mbola tara ny fotoana handoavana azy dia mbola mitombo ny zanany ary mety hihafara amin’ny fakana ilay entana natao antoka mihitsy izany. Tato anatin’ny enim-bolana teo ho eo anefa izao dia mitaraina ho tsy misy mpanjifa intsony izy ireny. Aleon’ny olona lavitra mantsy amin’izao mihindram-bola amina orinasam-pifandraisana iray. Sady tsy ilana antoka izany no tsy ilana taratasy ihany koa fa rehefa tonga kosa ny fe-potoana dia aloha. Ny 60%-n’ny mponina eto Antananarivo renivohitra raha kely no efa manao azy io amin’izao izay manomboka amin’ny 20.000 Ar . Very fanahy mbola velona araka izany ny ankamaroan’ireo mpampanjana-bola.
Nangonin’i Pati
Legende : Aleon’ny olona mihindram-bola amin’ny finday amin’izao toy izay aman’olona
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT