Voasambotry ny fokonolona tao Imerintsiatosika ny zoma 8 jolay 2016 lasa teo ny vehivavy iray voalaza fa mpamosavy.
Araka ny loharanom-baovao dia efa ny talata talohan’io ity ramatoa lehibe iray ity no tratra saingy tafaporitsaka. Efa nahafaty olona iray izay efa nalevina ny zoma teo ity ramatoa ity raha ny filazan’ny olona any an-toerana. Fantatra ihany koa fa mbola nisy tovolahy iray tokony ho 17 taona miady amin’ny fahafatesana noho ny famosaviana nataony. Saika hovonoin'ny fokonolona izy ity saingy nanambara fa raha maty, hono, izy dia ho faty ihany koa ilay tovolahy. Rehefa noterena hamoaka ny ody ratsiny sy ny fanefitry ny famosaviana nataony tamin’ilay zazalahy kely ilay ramatoa dia nentiny nihodinkodina ny tanàna nandritra ny ora maro ny vahoaka saingy tsy nisy akory izay fanafody fa narebirebiny ny fokonolona. Tonga hatreny an-tanimbary ka hatrany anaty rano ny fitadiavana izany saingy niala maina ny rehetra. Notazonina tao amin'ny borigadin’ny zandarimaria noho izany ity ramatoa voalaza fa mpamosavy ity.
Nangonin’i Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.