Actualités

Mpamorona didin’akanjo Malagasy “Adikan’ireo mpaka tahaka sy amidiny mora be ny asanay”


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Misedra olana ankehitriny ireo mpamorona didin’akanjo na “styliste” Malagasy, raha ny fanazavan’ny tanora mpisehatra eo anivon’izany, Andrianina Rasolomampionona.

 Tsy mifaninana akory izahay samy mpamorona, hoy izy, fa ny olana kosa dia ny fandikan’ireo mpaka tahaka na mpanao “confection” ny asanay. Ny asa famoronanay no alain-drizareo dia amidiny mora be. Nanahirana ny nanangana orinasa ho ahy manokana satria 5 volana teo izay no tena nivelomako tamin’ny asa famoronana akanjo, izany hoe, tato anatin’ny fotoanan’ny krizy ara-pahasalamana mihitsy, hoy hatrany ity mpanao gazety teo aloha vao 26 taona ity. Ny karama rehetra voaangona tamin’ny mbola nanao gazety no natontona tany daholo. Fanintelony namoaka vokatra na “collection” izahay izao fa ny roa voalohany angamba no navoaka isam-bolana. Ny iray farany vao navoakanay ny fiandohan’ity desambra ity kosa no tena nakanay bahana nandritry ny 3 volana teo. Ny manaraka izay angamba mbola hakanay bahana lavitra satria arakaraka ny fandehan’ilay asa no mila fanovana fomba fiasa hafa, izany hoe mampiditra zavatra hafakely kokoa hanatsara ilay izy. Miisa 10 isaky ny “collection” eo no havoaka kanefa koa io miankina amin’ny zavatra tiana tantaraina satria ny anay ny fitantarana ny natiora sy tontolo iainana no tena atao. Miisa 30 eo ny vokatra efa navoaka ary misy manjifa hatrany aloha hatreto ankoatran’ireo hiaka farany navoakanay, hoy hatrany ny tenany, na dia eo aza ilay olana voalaza teo aloha teo.
J. Mirija
Legende: Andrianina Rasolomampionona, eo anivon’ireo famoronany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT