Hifampizara traikefa sy fahaiza-manao amin’ny mpamonjy voina Malagasy mandritra ny roa herinandro ireo pompie kanadianina 11 mirahalahy vao avy nianatra 36 volana tany amin’ny kolejy Mont-Morency.
Fomba fanao sy mahazatra an’ity sekoly namolavola ireto vahiny mandalo eto Antananarivo ankehitriny ireto ity moa ny manampy ireo mpamonjy voina aty amin’ny firenena afrikanina miteny frantsay aorian’ny fanovozam-pahalalan’izy ireo. Nisy ihany koa fanolorana fitaovana sy kojakoja ary fanafody fampiasa amin’ny vonjy taitra ho an’ny mpamonjy voina Malagasy eny Tsaralalàna avy amin’ny delegasionina tarihan’ny kapiteny Christian Bernard. Firenena roa hafa misitraka ny fiaraha-miasa amin’ireo «sapeurs-pompiers» kanadianina i Bénin sy i Togo.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.