Noraisin’ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, tao amin’ny Lapan’ny tanŕna Analakely omaly, ireo mpiofana ho mpamonjy voina avy amin’ny Collčge Montmorency avy any Kanada, tarihan’ny kapiteny Bernard Christian
. Tafaresaka tamin’ny mpanao gazety ny lehiben’ny mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra, lietnà kolonely Michel Rabemanantsoa mikasika an’izay koa nambarany ary fa misy teknika vaovao ampiharin’ny mpamonjy voina amin’ny asa famonjena voina eny amin’ny resaka afo na amin’ny resaka famonjena ain’olona. Izany no atao, hoy izy dia ny mba hananantsika, teknika maro azo hisafidianana. Misy ny teknika frantsay, japoney, afrikana tatsimo, dia izao voaraintsika indray ny teknika kanadianina koa. Nanolotra fitaovana ho an’ny mpamonjy voina Malagasy ireto mpamonjy voina Kanadianina ireto ary fantatra fa mbola hisy ny delegasionina hafa ho avy amin’ny fotoana manaraka ary mbola hitohy mandavan-taona ny fiaraha-miasa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.