Actualitテゥs

Mpamily taxi novonoin地y ォpolisyサ Mitaky ny mangaraharaha ny fianakavian地y maty


  • Alarobia 27 Jolay 2011

Araka ny voalazan段reo havan段lay lehilahy mpamily fiarakaretsaka maty novonoin地y 菟olisy� dia mitaky ny hanaovana mangaraharaha ny famotorana mikasika izay tena antony namonoana ny havany izy ireo.

 Fantatra tamin’izany fa ny polisy sy ny zandary miaraka no tokony hanao famotorana raha ny hevitr’ireo fianakaviana mba tsy hisian’ny fitongilanana. Anisan’ny antony nahatonga ireto fianakaviana ireto hangataka izany ihany koa, araka ny fantatra, ny maha zanaka zandary ilay lehilahy maty. Noho izany, hoy izy ireo dia hahatsara zavatra raha zandary sy polisy no miara-misalahy amin’ny fikarohana ny marina mikasika ity raharaha ity. Fantatra ihany koa fa misy ny vavolombelona tamin’ity raharaha ity izay nilaza fa nahita ny fisavana kara-panondro nataon’ny polisin’ny FIP ity lehilahy maty ity. Ho an’ny polisy indray dia fantatra fa noho ny maha polisy ireo mety ho voakasika amin’ity raharaha ity dia tsy maintsy polisy no hanao ny famotorana. Ho hita eo araka izany izay ho tohin’ity raharaha ity ary maniry ny hahahalala ny marina ihany koa ny vahoaka satria betsaka loatra ny fanakianana ny polisy mikasika ireo olona maty etsy sy eroa.

 

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Actualitテゥs

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ツォ Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT