Actualités

Mpaka sary Velon-taraina ireo matihanina miasa etsy Analakely


  • Alatsinainy 23 Aprily 2012


 Ifanjevoana ny maka sary etsy Analakely, indrindra hatramin’ny nahavitan’ny Lapan’ny tanàna ka isian’ilay rano mifantsitsitra eo anoloany io, izay mahasarika ny olona tokoa, ankoatra ny andro fety sy faran’ny herinandro. Izay manana fankantsary dia samy mipipika eo avokoa. Eo anatrehan’izany dia velon-taraina ireo mpaka sary manao asa velontena na matihanina amin’io asa io. Hatramin’izao mantsy dia mbola misy hatrany ireo olona tsy fantatra nefa manana fitaovana tonga manao ity asa ity eny an-toerana, indrindra fa rehefa fety. Ireo mpaka sary tena matihanina indray noho izany no miafy. Misy amin’ireo olona tsy fantatra ireo ihany koa no maka vola aman’olona ary milaza hanatitra ilay sary nefa tsy miverina intsony, antony mahafaty ny asan’ireo tena mpaka sary mivelona amin’ity asa iray ity. Mangataka ny hanaovana ny lisitr’ireo tena mpaka sary matihanina ireo mpaka sary etsy Analakely.

Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT