Misy teratany vahiny misoloky na mety hisoloky ho mpiara-miasa amiko na manao zavatra amin'ny anarako mety mifanerasera aminareo, hoy ny mpahaifandrindran-tsakafo na “nutritionniste diplômé”,
Fabrizio Fabi, nanao filazana maika omaly. Tsy avy aty amiko izy tompoko ary tsy miara-miasa izahay, hoy izy. Efa nametraka fitoriana aho ary efa eo am-pelantanan'ny manam-pahefana ny raharaha. Asa sy ketrika na “Business” no resaka nataonay sy ilay teratany vahiny fa fisolokiana no tanjony. Tsy nisy vola azony avy aty amiko saingy tamin'ny famenoana antotan-taratasy tamin'ny noheverina ho fiaraha-miasa dia misy fandikana na “scanner” ny karapanondroko lasany. Marihako fa tsy mampiasa io karapanondro io intsony aho ary tsy manan-kery intsony io karapanondro io izao. Efa eo am-pandraisana ny karapanondroko vaovao aho izao. Ny mpahay lalàna sy ny manampahefana no manohy ny fanadihadiana momba ny raharaha. Ny adidiko amin'ny maha olompirenena ahy no mampahafantatra anareo ny zava-misy sao sanatria solokiany ianareo na mitonon-tena ho mpiara-miasa amiko izy. Ao anatin'ny asako sy ny maha izaho ahy ny misokatra sy mifanerasera amin'ny karazan'olona maro ka misy ny olona tsara dia nisy ihany koa ny olon-dratsy toy ity teratany vahiny ity, hoy hatrany ity mpahaifandrindran-tsakafo malagasy nosolokiana teratany vahiny ity.
J. Mirija
Legende: Ilay karapanondro nisolokiana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.