Nitriatra sy vaky ary an-dalam-pirodanana ny Tranoben’ny serasera sy ny Kolontsaina ao Morondava Faritra Menabe.
Tafiditra ao anatin’ireo fotodrafitrasa vao natao ary efa voaloko volomboasary sy voloparasy io. Nandaniana vola tsy toko tsy forohana anefa izany satria nahatratra 1000 tapitrisa Ar latsaka kely (999 896 423) ny nanaovana izany. Vao niseho io tranga io, nikorapaka ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina nampahafantatra fa tsy mbola notokanana ary tsy mbola miasa akory ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Morondava. Tsy mbola nisy ihany koa ny fandraisana vonjy maika na « réception provisoire » natao manamarika ny fahavitan'ny asa. Misy olana lehibe ny nananganana ny fotodrafitrasa satria rehefa vita ny taotrano dia nanomboka nisy triatra, izay marihana fa tsy ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina irery no tratrany fa ireo fotodrafitrasam-panjakana maromaro hafa miorina eo amin'io tany io izay tanin'ny Faritra, hoy ny fampitam-baovao. Efa tamin'ny fiandohan'ny volana jona teo no nidina tany ny tompon'andraikitry ny orinasa nahazo ny tsenan'asa fanamboarana ary efa nitady ny vahaolana hamerenana amin'ny laoniny ny asa. Sarotiny amin'ny kalitaon'ny asa fanamboarana ny Minisitera ka tsy afaka hanaiky asa vita tsy mifanaraka amin'ny bokin'andraikitra, hoy ny fampitam-baovaon’ny Fitaleavana Misahana ny Fifandraisana amin'ny Daholo be. Maro kosa etsy andaniny no manao vazivazy fa efa tandindon’ny ho avy politikan’ny fitondrana ankehitriny itony toe-javatra itony. Rehefa tsy hety izay tokoa ny atao, ny ranon’apango aza misy voay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.