Actualités

Moramanga Nikatona sahady ilay Mozea 1947


  • Alakamisy 23 Jona 2011

Telo andro taorian’ny nitokanana azy ny 29 martsa 2011 dia nanakatom-baravarana sahady ilay Tranombakoka namboarina manokana ho tsiahy ny tolom-panafahana 1947, izay namaivay tokoa raha ny tao Moramanga ary nitondra tany amin’ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena.

 Nankalazaina ary natao makotroka ny fitokanana azy io, ny andron’ny 29 martsa. Nidina nitokana azy tany an-toerana ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Nirina Rajoelina, notronina minisitra maromaro, toy ny minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka, Elisa Razafitombo Alibena. Tahirin’ny sampandraharaham-paritry ny kolontsaina Matsiatra Ambony sy an’olon-tsotra no naranty tao nanararaotana ny fitokanana. Tokony ho nijanona iray volana tao ireo fitaovana, izay sary ny ankamaroany, saingy telo andro teo ihany dia efa navalona ary dia nikatona nanaraka izany koa ny trano satria tsy misy entana, izay manaitra ihany indrindra amin’izao vanim-potoana idradradradrana ny hambom-po sy fitiavan-tanindrazana izao. Marihina fa manana mozea azy manokana ny zandarimariam-pirenena ao Moramanga. Eo ambany fiahian’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny vakoka kosa ity Mozean’ny tolom-panafahana 1947 ity. Tsy misy tetibola hampihodinana azy, sa tsy vonona tamin’ny fandraisan-tanana azy io ny ministera ?

 

Jean D.

 

Sary : Mikatona hatramin’ny vavahadin’ny Mozea 1947 ao Moramanga (sary : Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT