Monja Roindefo

> Tokony hisazy ireo kandida tsy manara-dalŕna


  • Alarobia 18 Septambra 2013

Manoloana ny famoriam-bahoaka miendrika fampielezan-kevitra sahady ataon’ny kandida sasany, indrindra ny kandidam-panjakana dia miantso ny CENI-T handray andraikitra i Monja Roindefo izay kandida ihany koa.

Anjaran’ity farany no manangona ireny fandikan-dalàna eo anatrehan’ny lalam-pifidianana ireny ka manome izany ny CES handraisany fanapahan-kevitra. «Izahay manara-dalàna indray mantsy no saziana fa ireo mpandika lalàna avela malalaka», araka ny fanazavany hatrany momba ilay raharaha hoe fakana ny Ministeran’ny angovo an-keriny. Araka ny didim-pitsarana tokoa mantsy dia nahazo fahafahana i Monja Roindefo raha misy nahazo sazy mihatra 12 volana ny mpiara-miasa aminy iray. Takiany koa ny fanaovan’ny CENI-T andrana eo anatrehan’ny kandida rehetra ilay “logiciel” fanisam-bato hialana amin’ny ahiahy tsy ihavanana sao sanatria efa vita mialoha ny isam-bato azon’ny tsirairay. Mila aloa faran’izay haingana ihany koa, araka ny heviny, ny karaman’ireo mpiasa eo anivon’ny rantsamangaikan’ny CENI-T any amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra izay mimenomenona noho ny fahataran’izany. Mety hisy fiantraikany amin’ny fizotry ny fifidianana avokoa ireo raha tsy lavorary, hoy izy nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety tetsy Antsakaviro omaly.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT