Actualités

Monima Haka ny ministeran’ny fanatanjahatena indray anio


  • Zoma 24 Mey 2013

Tsy manaiky hatramin’ny farany ny Monima. Raha nandamoka ny fikasany hanatanteraka ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny angovo noho ny tsy maha eto an-toerana ny minisitra Manoriky Sylvain ny alarobia 22 mey teo dia hiverina hanandrana haka ny ministeran’ny fanatanjahatena indray ry zareo anio araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpikambana iray amin’ity antoko tarihan’i Monja Roindefo ity.

 Samy olona natolotry ny Monima avokoa mantsy na ny minisitra minisitra Manoriky Sylvain na ny minisitry ny fanatanjahantena Botralahy Gérard, saingy tsy ekeny intsony ny maha solotenany azy ireo ao amin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena noho ny “tsy fahaiza-miasa”. “Zonay feno amin’ny maha mpanao sonia ny soridalana anay ny manolo ny olonay ao anaty governemanta ary efa herintaona no nitakianay izany”, hoy i Monja Roindefo. Miitatra moa ity raharaha ity satria hitory ny praiminisitra Beriziky Jean Omer ry zareo. Tsiahivina fa sady nanameloka ny fihetsik’ireo olon’ny Monima tonga teny Ampandrianomby saika hanatanteraka ny fanoloana ny minisitry ny angovo amperinasa ny Praminisitry ny marimaritra iraisana no nanambana hitory izay mpaniraka azy ireo ihany koa. Nosongonan-dry Monja Roindefo izany ny tenany.

Ity farany izay nilaza fa “mamo miantso polisy izy (Beriziky). Fanaparam-pahefana miampy fanaovana sakana amin’ny fampiharana ny tondrozotra no ataon’ny lehiben’ny governemanta izay mandika ny andininy faha-43 ao amin’io lalàna mitondra ny tany sy ny fanjakana ankehitriny io”. Nokianin’i Monja Roindefo manokana koa ny filohan’ny tetezamita izay mikasa hampiasa ny vidin’ny “Air Force One” hanatanterahana fifidianana tsy misy fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Aminy mantsy dia famitaham-bahoaka avokoa izany satria ny andiam-balala efa manenika ny atsasamanilan’i Madagasikara aza tsy vitan’ny Fanjakana no mamono azy. Nahazo ny anjarany avy amin’i Monja Rondefo koa ireo mpanao fihetsiketsehana nanivaiva sy niteny ratsy masoivoho vahiny miasa eto amintsika ka mialokaloka amin’ny anaran’ny fiandrianam-pirenena. Tsy soatoavina Malagasy ny manompa olona, hoy hatrany ity praiminisitry ny FAT voalohany ity. Farany dia mihevitra izy fa tokony hahay hampandefitra ny hambom-pony ireo kandida 3 mianadahy takian’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny hisintahany amin’ny fifidianana filoham-pirenena mba tsy hatao sorona ny vahoaka Malagasy.

 Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT