Taranak’i Eva matihanina amin'ny asa fisandohana sy fisolokiana no nampitondra faisana indray ireo relijiozy tany amin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo sy amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny.
Pretra no voasolokiny farany ny talata 16 jolay teo. Najifa tamin’ity halatra avo lenta ity taorian’ny famakian’ity ramatoa ny fitehirizana entana nifanila tamin'ny nametrahana azy ny valonana lamba fripy, fanampiana avy any dilambato ary tokony hozaraina tamin'ny mponina sahirana. Nentin'io vehivavy io koa ny fanaka azo bataina rehetra tao amin'ny efitra nitoerany ary tsy hita izay nalehany hatramin'izao. Tsy misy tandroka ny ratsy ary tsy mifidy asiana ny olon-dratsy amin’izao.
Ingahy mompera koa moa sodokan’ny hatsaran-tarehy sy ny teny mamy nandangolango ka natoky tanteraka an’ity taranaky ny menarana ity. Ny loharanom-baovaonay nilaza fa mitety tobina mpitondra fivavahana ao amin'ny misiona katolika no tena angadin'ity ramatoa iray ity ary anarana relijiozy tononiny ho havany no entiny miriorio amin'ireo toerana rehetra alehany ireo ka amitahany izay sendra azy. Tsy ampoizin'ireo mametraka fitokisana aminy anefa ny fivadihany tampoka sy ny fitsoahany ka any an-kafa indray izy mamely.
Am-pelatanan'ny manampahefana any an-toerana ny raharaha ankehitriny ary mitohy ny fikarohana sy fanaovana hazalambo an’ity ramatoa mpisoloky ity. Nampitandrina ny mpitondra fivavahana rehetra ihany koa ny ao amin’ny misiona katolika mba ho mailo amin'ny fihetsiky ny olon-dratsy satria miha mitombo fahasahiana tokoa izy ireo ankehitriny.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.