Actualités

Mompera voaroaka sy vehivavy 51 taona Nisoloky 15 tapitrisa Ariary tamina seky halatra


  • Sabotsy 03 Aogositra 2013

Voasambotry ny polisy afak’omaly tany Toliara ilay ramatoa 51 taona. Vehivavy malaza ratsy amin’ny hosoka sy fisolokiana avo lenta ary ny misiona katolika foana no lasibany.

Saika haka vola mitentina 3,4 tapitrisa ariary tamina banky iray ao Bazaribe Toliara tamin’ny alalan’ny seky hosoka ity ramatoa irakiraka amina sekoly katolika iray malaza ao Toliara no tra-tehaka. Nampiahiahy ny tompon’andraikitra tao amin’ity banky ity ny sonia halatra tamin’io seky io sy ny fihetsiny, ka niainga teo ny fanadihadiana samihafa. Mbola karohina kosa hatramin’izao ilay mompera voaroaka mpiray tsikombakomba aminy. Tsy misy tandroka ny ratsy rey olona, ka sahia samy mailo hatrany.

Nomarihan’ny loharanom-baovao, vao voasambotra ity ramatoa ity dia efa nisy sahady tompon’andraikitra ambony nanao ny fanelanelanana rehetra amin’ny fomba hamoahana haingana an’ity mpisoloky sy mpangalatra ity. Io loharanom-baovao io hatrany no nilaza, fa efa nahazo 12,5 tapitrisa Ariary izy ireo teo aloha, ary dimy hetsy Ariary ny anjaran-dramatoa isaky ny «mission» iray. Hatramin’ny sonian’ny Eveka aza dia sahin’ity ramatoa ity nangalarina, mba entiny misoloky etsy sy eroa. Ilaina hatrany ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hahamora ny fikarohana sy fisamborana ireo olon-dratsy, hoy ny kaomisera Rufin Lebiria. Nisaorany ihany koa ireo eza-piaraha-miasa samihafa tamin’ny vahoaka hatramin’izay, mba hampandry fahalemana an’i Toliara. tsy vao sambany ireto mpisoloky sy mpanao hosoka avolenta ireto no nanao ny asa ratsiny ary ny misiona katolika foana no lasibatra.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT