Actualités

Momentum Country and Global Leadership Hanatsarana ny vokatra ara-pahasalamana


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Hanakaiky kokoa ireo mponina izay mila fitsaboana nefa lavitra tobim-pahasalamana, hampihenana ny taham-pahafatesan’ny zaza sy ny reny, hiady amin’ny COVID-19 sy hampitombo ny isan’ny olona vita vaksiny,

ary hampihena ireo karazan’aretina izay mety hahafaty ny zaza nefa azo sorohina,… no tanjon’ny tetikasa MOMENTUM Country and Global Leadership (MCGL) eo ambany fiahiahin’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID). Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 13 desambra teo izy ity, hetsika iray izay hampitombo ny vokatra ara-pahasalamana any amin'ny faritra 15 eto amin'ny firenena. “Ny tetikasa MCGL dia hanampy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hamolavola politika, paikady ary fitaovana hanatsarana ny fandaharan’asan’ny fanjakana momba ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara”, hoy ny Tale Lefitry ny Biraon’ny Fahasalamana eo anivon’ny USAID/Madagasikara, Dr. Haja Razafindrafito. Notsipihina fa tanjon ny hameno ireo fandaharanasa momba ny fahasalamana efa misy mba hanatsarana tanteraka ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza any amin'ny faritra tsy afaka misitraka tolotra ara-pahasalamana feno eto amin'ny firenena." Ny tetikasa dia hampiditra fanavaozana toy ny “Human Centered Design”, fomba iray hanampiana ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana hihevitra ny fotoana sy ny toerana itadiavan'ny olona tolotra ara-pahasalamana sy ny fomba hanatonana ankizy bebe kokoa amin'ny fanaovana vaksiny efa mahazatra. Nanomboka ny taona 2020 mantsy dia nihena ny tahan’ny fanaovana vaksiny mahazatra ho an’ny ankizy eto Madagasikara, noho ny tsy fahampian’ny fahazoana fitsaboana. Hampiofana ireo mpanome tolotra ara-pahasalamana tsy miankina amin'ny fenitra nasionalin'ny fitantanana ny vaksiny Covid-19 ary hampitombo ny isan'ny tobim-pitsaboana tsy miankina omena alalana hanome vaksiny noho izany ny MCGL. Ity MCGL ity izay marihina fa ampahany amin'ny hetsika MOMENTUM maneran-tany mandritra ny dimy taona izay mitentina 200 tapitrisa dolara mba hanomezana fanampiana ara-teknika sy hanamafisana ny fahaiza-manao ho an'ny firenena miisa 19 ary hanatsarana ny vokatra ara-pahasalamana ho an'ny vehivavy sy ny ankizy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT