Actualités

Mitsahatra ny Grevin’ny Paositra “Voafatotry ny sonia natao ny andaniny sy ny ankilany”


  • Alakamisy 15 Jolay 2021

Mitsahatra hatreo ny grevin’ny mpiasan’ny paositra Malagasy taorian’ny fifampidinihana niarahana tamin’ny tompon’andraikitra, araka ny fanambarana omaly tetsy taorian’ny dinika ny talata teo tamin’ny 2ora

 

 ka hatramin’ny 12 sasany alina nahitana ny marimaritra iraisana, hoy ny fanambarana. Niafara tamin’ny fifanaovan-tsonia omaly. Nesorina tamin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly ny sora-baventy, ary nambara fa mitsahatra ny grevy. “Voatazona amin’ny Sonia natao ny tsirairay, ka samy manara-maso ny fanatanterahana izany. Orinasa Malagasy mitsinjo ny mpiara-belona ny paositra ka noho izay antony izay no antony nitadiavam-bahaolana ho an’ny mpanjifa, ary mbola hireharehanay fa nomenay ny tolotra tsara indrindra”, hoy ireo mpitarika sendika, izay nilaza fa tsy nisy ambadika politika ny tolona, ary tsy hisy olana haharitra mandrakizay.
FIFANARAHANA 19 PEJY, TEBOKA MIISA 9
Nambara fa nezahina nomena valiny tsirairay ireo teboka notakiana. Efa nifanaraka fa vonona hiara-hiasa amin’ny fanatanterahana izany. Minisitra sy ny sendika miisa telo, Filohan’ny Filankevi-pitantanana, ny Tale Jeneraly no nanasonia ny fifanarahana mahatratra 19 pejy eo ho eo. Nifanaraka ny rehetra fa tsy nisy najanona na iray aza ireo teboka 9 notakian’ny sendika, izay niaraha-nidinika tamin’ny Minisitra. Isan’izany ny sata mifehy paositra, izay hiaraha-mamolavola, teo ihany koa ny resaka “privatisation” na ho lasa tsy miankina sa “”filialisation” na hitarina ny rantsany, ka ity faharoa no eken’ny mpiasa. Hoentina any amin’ny filankevitry ny minisitra ireo, ka any no tena manapaka azy. Ho an’ny mpiasa ECD dia nanaiky ny minisitra fa iarahana mijery ny fanafafainganana hampidirana ny mpiasa ECD rehetra ho mpiasam-panjakana, tsy ankanavaka fa tsy hoe ireo nahavita enin-taona ihany. Teo ihany koa ny famatsiam-bola ny “smart village” izay ny 25 no voatondro fa ny paositra no miantoka azy, ka hajanona ireo 10 mbola tsy natomboka, ary hijery ny hanajanonana ny asa amin’ny sampan-draharahan’ny tsenan’asam-panjakana. Nifanarahana ny mahakasika ny tany sy trano “patrimoine” an’ny paositra ahafahana manoratra azy sy ireo tany amin’ny anaran’ny paositra Malagasy izay misy sakana any amin’ny minisitera hafa,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT