Be no miditra hopitaly vokatry ny fihinanana fanafody hosoka. Nirongatra mihitsy io tranga io tato anatin’ny iray volana teo izao, araka ny filazan’ny mpitsabo.
Marary nihinam-panafody novidiana teny amin’ireny mpivarotra ivelan’ny farmasia na nomena mpitsabo tsy miankina nandray an-tanana azy ny ankamaroan’ireo lasibatra. Ao ireo mitsovaka ny hoditra amin’ny vatany manontolo, ny sasany miha tsy mahita ny masony, ny aretin’ny taovam-pandevonan-kanina manginy fotsiny. Mahagaga anefa ny fahanginan’ny tompon’andraikitra manoloana ity loza ity. Inona no ao ambadik’izany fahanginana izany ? Sa misy mahita tombontsoa amin’izao raharaha izao ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.