Actualités

Miteny ny dokotera Tsy mbola vita eto ny famindrana taova


  • Alakamisy 09 Jona 2022

Diso malaza loatra eto amintsika efa ho iray volana izao ny resaka halatra taova sy ny famindrana taova. Nitarika izany voalohany ny halatra voamaso nahazo ireo ankizy maromaro tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny.

Nitohy tamin’ny fakana an-keriny ireo tovovavy teto an-drenivohitra izany izay fantatra fa nisy nalaina ra ny sasany….Rehefa nanontaniana ny mikasika io trangan-javatra io dokotera Fidy Bariniaina omaly dia nambarany fa mbola tsy vita eto amintsika ny halatra taova sy ny famindrana taova. Ho an’ireto roa farany mantsy raha araka ny fanazavany dia tsy maintsy ilana toeram-pandidiana goavambe avokoa fa tsy vita eny am-pandehanana araka ny resaka mandeha izany. Ho an’ireo olona hampifamindrana taova dia nambarany fa samy tsy maintsy miditra ao amin’ny toeram-pandidiana avokoa izy ireo amin’ny fotoana iray na ilay hakana taova izany na ilay hampidirina taova. Tsy mbola vita eo amintsika daholo anefa izany rehetra izany hoy hatrany dokotera Fidy Bariniaina fa tsy maintsy any ivelany avokoa. Ny famindrana voa hoy izy no efa re fa mety hisy eto saingy mbola tsy tanteraka. Nomarihiny araka izany fa alain’ireo mpanao izany mba hanaovana fanompoan-tsampy ireny maso hangalariny….ireny.
Pati
Legende : Ny dokotera Fidy Bariniaina diso fantatry ny maro loatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT