Actualités

Mitaky ny hanokafana ny fanadihadiana « bois de rose »


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2011

Mangahazo mangidy malemy ihany ny zava-misy ankehitriny ka saro-dazaina aman-kavana, hoy ny antoko Farimbona izay niala tamin’ny fahanginany ka nanao famelabelaran-kevitra tetsy amin’ny Motel de Tanŕ Anosy ny sabotsy 1 oktobra teo.

 Maro dia maro ny zava-nitranga tao anatin’ny tetezamita niainana nandritra ny telo taona lavabe izay, hoy Atoa Pierre Andrianantenaina filohan’ity antoko ity, maro ireo mpianatra afaka fanadinana, maro ny tokantrano niorina, maro ireo fikambanana sy antoko niforona, maro ny fanantenana nipoitra..., fa maro koa anefa ny fahoriana nitranga, maro ireo fikambanana nitresaka, in-dimy no nisolo ny Praiminisitra, maro ireo lasa minisitra, maro koa ireo minisitra niala, mbola ho maro ireo manantena ho Praiminisitra sy ho minisitra. Tokony hovaina ny litania fitadiavan-tseza. Toa ho lany andro am-pitoerana ilay lalampanorenana "Fitiavana, Tanindrazana, Fandrosoana" efa ho feno herintaona izao toa tsy nomena ny hasina maha izy azy izy io fa dia ho sanatria ve toy ny vavalan’amboa ka ny tompony aza tsy tia ? Mazava izao fa ao anatin'ny Repoblika faha-4 tanteraka isika taorian’ny fanaovana sonia ilay tondrozotra natolotry ny SADC. Manantena isika fa tsy misy fandripandrika tahaka ny tany Maputo sy Addis-Abeba intsony io tondrozotra voasonia io. Manahy ihany anefa izahay fa tsy hahamenatra an’ireo Mpanelanelana ny hanova andininy hafa ao anatin’ilay tondrozotra voasonia. Amin’ny fampiharana azy iny dia nilaza ny antoko Farimbona fa tsy maintsy mitovy fisainana ny "Chef de l'Etat " sy ny Praiminisitra raha tiana handeha ny raharaham-pirenena.

Tsy ho toa an’i Zimbabwe lany ny andro ary lany ny vola entina mampihavana an' Ingahy Migabe sy Tswangirai na i Côte d’Ivoire 15 taona ny tetezamita tany ary niafara tamin' ny ady ka nidiran' ny tafika vahiny. Izany no mitranga rehefa mifanohitra ny Praiminisitra sy ny Filoham-panjakana. Tsy misy maniry ny hitrangan'izany eto Madagasikara raha mbola tia tanindrazana koa. Ny voambolana hoe “Praiminisitry ny marimaritra iraisana” no ifandroritana ankehitriny, ka ivorian’ny mpanao politika etsy sy eroa. Efa nitombo 10 na 14 no nanao sonia, ka tsy maintsy Praiminisitra mahazo ny marimaritra iraisan’ireo ankolafy 10 na 14 ireo no ho Lehiben’ny Governemanta. Momba ny fifidianana dia nambaran’ny antoko Farimbona fa efa hatry ny ela no niantso ny androsoana ny fifidianana. Mazava ny fotokevitry ny tondrozotra dia ny fanaovana fifidianana farany izay haingana, araka ny voalaza ao amin' ny andininy faha 10. Raha ny fahitanay ny raharaham-pirenena, dia samy efa nahavita ny fampielezan-keviny daholo ireo antoko rehetra eto Madagasikara. Efa telo taona ny "firehana telo" no nanao izany.

Efa samy nanao ny azy koa ireo tafiditra tao amin' ny fitondrana. Koa tokony haroso amin' izay ny fifidianana. Ny antoko Farimbona dia manohitra ny fisiana tsimatimanota, hoy ny fanamarihan’Atoa Pierre Andrianantenaina. Ny olombelona rehetra dia tokony hizaka ny vokatry ny ataony. Izahay dia tsy resy lahatra mihitsy amin' ity resaka fampihavanam-pirenena ity satria foto-kevitra no tsy itoviana fa tsy miady ny olona ary tsy tokony hamoha fota-mandry ny mpanao politika noho ny antony fitadiavan-tseza. Ho an’ny antoko Farimbona dia izay mangataka “amnistie” no homena fa milaza ho tsy diso avokoa. Fa tsy Jesoa Kristy akory ny mpanao politika, na ny parlemantan’ny Tetezamita ka hilaza hoe: “Ray ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay hataony”. Araka izany fotokevitra ijoroan’ny antoko Farimbona izany dia mitaky mihitsy izahay mba hosokafana ny fanadihadiana amin'ireo fiampangana ampahibemaso nataon'ny Profesora Zafy Albert momba ireo lazainy fa mpangalatra "bois de rose". Na inona na inona tsy fitoviam-pijerin’ny antoko politika tsirairay avy eo amin’ny fomba hitantanana ny firenena, Na inona na inona firehana ara-toekarena hijoroan’ny tsirairay : libérale, interventionnisme…, tokana ihany ny tanjona : dia ny tombontsoam-pirenena, ny tombontsoam-bahoaka ary indrindra indrindra ny ho avy mamirapiratra handrandraina ho an’ny taranaka mifandimby. Aoka ihany koa hanana fahasahiana isika mpanao politika hilaza fa handia fotoan-tsarotra lalina dia lalina ny fitondram-panjakana voalohany hijoro ao anatin’ny Repoblika faha-IV, noho ny krizy politika lalovan’ny firenena ankehitriny. Arakaraka ny mahalava ity tetezamita ity anefa no mahasarotra ny fanarenana ara-toekarena aoriana kely.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT