Actualités

Misy hazon-damosina marina ve ?


  • Sabotsy 15 Martsa 2014


Zavatra telo no azo tsoahana tamin’ilay voalaza fa fihaonan’ny filoham-pirenena ankehitriny sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha, na tsy voaporofo aza ny tena fisiany. Voalohany dia i Andry Rajoelina izany no mibaiko ny MAPAR ary izy no manana ny teny farany ny amin’izay anarana praiminisitra hatolotra. Faharoa dia mahatsapa ny filohan’ny tetezamita fa matanjaka ny ankolafy Ravalomanana ka izay no antony nitakiany ny hanilihana ity farany tsy ho mpikambana ao amin’ny PMP intsony mialoha ny hanohizana ny fifampiresahana. Ny fahatelo farany dia tsy mahatapak’ahitra ny filoha Hery Rajaonarimampianina fa tsy maintsy mikaroka marimaritra iraisana foana vao manapa-kevitra. Miha mazava ihany izao ny resaka fa dia tsy ny fandaharanasany no hotanterahany fa izay tian-dRajoelina sy ny MAPAR atao eto amin’ny firenena. Tsy fantatra izay fahagagana mety ho vitan’Atoa filoha aorian’ny diany any ivelany io fa ny tsapa aloha dia soavalin-dRajoelina izy ary tsy afa-bela amin’ny MAPAR. Azo sary an-tsaina sahady ny tohin’ny raharaha fa isaky ny hanapa-kevitra izany ny filoha dia hihaona amin’ny zandry kely foana. Dia averina ihany ilay fanontaniana : inona no fiovana, na hery vaovao amin’izany fa toa ny tonta ihany no avadibadika e ? Afaka 10 andro dia feno roa volana nitantanana ny firenena i Hery Rajaonarimampianina, ka hotendrena ao anatin’izay 10 andro izay ve sa tsia ilay priaminisitra. Azo antoka fa tsy hipetra-potsiny fa hihetsika ihany koa ny PMP, indrindra fa ny ankolafy Ravalomanana fa tsy hoe hanaiky fotsiny eo izay mahafalifaly ny ankolafy Rajoelina. Ka ny tolo-kevitr’iza ihany ary izany no hoeken’ny filoha e ? Ny hevitra samy manana ary na hifarana aza ity taona ity dia tsy hisy praiminisitra voatendry eto raha toa ka tsy manana hazon-damosina fa variana miady hevitra amin’ireo ankolafy politika ny filoha Hery Rajaonarimampianina, izy tenany no mila sahy manapa-kevitra amin’izay hitany fa tena mety tokoa ho an’ny firenena, fa rehefa tsy hanao izany moa izy dia mikatso izany ny raharaham-pirenena.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT