Actualités

Misy fetrany ny zava-drehetra


  • Alakamisy 28 Jolay 2016

Tsy mora ny manao zavatra ary tsy misy ny fahagagana ka ho lasa mpanakarena tampotampoka eo ny Malagasy rehetra.


 Henjana ny fanarenana an’i Madagasikara noho ny savorovoro mateti-pitranga eto noho ny disadisa politika. Na izany aza, efa mampiteny ny moana ny zava-misy ankehitriny. Resadresaka sy kabary no betsaka fa tsy hita izay tena vahaolana na sarintsarim-bahaolana avy amin’ny fitondrana. Esoeson-teny indray aza no ataon’ireo manampahefana ambony. Tsy atao mahagaga raha mitombo isa isan’andro ny hetsika mamaky bantsilana ny gaboraraka eto e ! Tsy voatery ho resaka fanonganam-panjaka io fa filazana ny tsy mety sy ny tsy mandeha mba hahafahan’ny mpitantana manitsy ny diso sy manatanteraka izay tsy vita. Tsy izany mihitsy anefa no mitranga fa manao be marenina hatrany ny fitondrana ary mampiasa isaky ny mihetsika ny herim-pamoretana hanapenam-bava ireo izay tsy voavidy vola sy tsy jamban’ny seza amam-boninahitra. Efa tsy miafina intsony eto fa miasa ny vola hanambatambazana ireo mafy loha. Aoka tsy hohadinoina fa misy fetrany ny zava-drehetra ary rehefa leo izay ny vahoaka dia tena zava-doza fa mety ao anatin’ny indray mipi-maso dia atao veloma hatreo io fahefana mampiedinedina io a !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT